<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Ho aiza, ho aiza izao hianao FFPM378</title>
<lyrics>[V1]
 Ho aiza, ho aiza izao hianao
 Ry havako izay mbola tia
 Ny fomban'ny nofo manimba
 anao ?
 Avia ry olo-mania !
 Henoy fa miantso ny Tompo.

[V2]
 Ho aiza, ho aiza izao hianao,
 Ry havako mbola tamana
 Ao amin'izao fivelomana izao,
 Ka fatra-pikiry hitana
 Izay zavatra halan'ny
 Tompo ?

[V3]
 Hevero fa tsy mba mahafaka
 anao,
 Ka tsy mba heken'ny Mpitsara
 Ny fahamarinana ao aminao ;
 Ny an'i Jesosy no tsara,
 Ka dia katsaho ny Azy.

[V4]
 Ekeo ny tenin'ny Tompo soa
 Inoy ny toky nomeny,
 Ka dia ho hita ny lalam-
 baovao,
 Izay voatoron'ny teny :
 Jesosy no lalana tsara.</lyrics>
<hymn_number>378</hymn_number>
<author>O. Ahnfelt</author>
</song>